Oniversiten’ i Toamasina: Mpianatra 608 nahazo mari-pahaizana

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 21 marsa lasa teo ireo mpianatra 608 tao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy Toamasina. Nanaraka lalam-piofanana samihafa avy amin’ny toeram-pianarana telo izy ireo. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny governoran’ny faritra Atsinanana mpisolo toerana, Rakotovao Andry. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Oniversite, Dr Razanakolona Diny.
Nahazo ny mari-pahaizana “Licence”, “Master” ary “Doctorat” ireo mpianatra navoaka ireo. “Natao ny hetsika tahaka izao mba hampirisihina ny mpianatra hamita haingana ny fanohanana ny voka-pikarohany, ny fanamboarana ny boky fa indrindra ny ray aman-dreny”, hoy ny filohan’ny oniversite. Nambarany fa faly ny ray aman-dreny mahita ny zanany mahazo diplaoma. Efa fomba fanaon’ny oniversite ny hetsika goavana toy izao ary tohizana hatrany mba hampifaliana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, ny mpandraharaha ary ny mpampianatra.

Sajo

Partager sur: