Manazava ny fisorohana ny aretim-bavony mpahazo matetika ny olona ny avy ao amin’ny CHUJRA, indrindra amin’izao fotoana mampihetsika azy, ao anatin’ny hatsiaka izao.
Mety hiteraka fahafatesana raha toa ka tsy voatsabo haingana sy araka ny tokony ho izy ny aretim-bavony. Ny « ulcère de l’estomac » no matetika mpahazo ny olona. Mitranga izy ity rehefa misy ratra ao anatin’ny taova fandevonan-kanina. Ireo soritr’aretina fahita amin’ny aretim-bavony dia ny fanaintainana eo amin’ny faritry ny vavony (ilany havia, eo ambanin’ny taolan-tratra), indrindra rehefa avy misakafo. Havizanana, fahalainana misakafo ary maloiloy lava. Antony mahatonga ny aretim-bavony ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola sy fifohana sigara be loatra. Eo koa ny adintsaina izay mampikorontana ny fahazotoana misakafo…
Ilaina, araka izany, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ahena na ajanona tanteraka ny fisotroana toaka sy ny fifohana sigara, ahena ny fihinanana sakafo mavesatra sy saro-devonina ary be menaka. Tsakoina tsara ny sakafo ary amboarina ny nify simba. Ferana ny fihinanana « épices », Miezaka mandamin-tsaina, misotro rano matetika (farafahakeliny 1,5 litatra isan’andro)…
Tatiana A