Autisme Madagascar : “Tsy mbola misy ny fiahiana sosialy ho an’ny olona autiste”

Nizara ny vokatry ny fanadihadiana momba ny fahasalamana ara-pananahana ho an’ny olona manana fahasem­banana ny fikambanana Autisme Madagasikara anatin’ny tetikasa Miray, omaly, teny Antaninarenina.

Nanasongadina ny vokatra fa mbola misy ny sa­kana sy ny fady amin’ny firesahana fahasalamana sy zo ara-pananahana ho an’ny olona manana fahasemba­nana eto amintsika. Taorian’ny fidinana ifotony sy ny firesa­hana amin’ny olona manana fahasembanana ary ny mpandray an-tanana azy ireo, tsapa ny tsy fahampian’ny firesa­hana ny lohahevitra. “Eo amin’ ny fanabeazana koa tsy voaresaka izany. Manampy trotraka ny fanilikilihana avy amin’ny fiarahamonina izay mieritre­ritra fa tsy ilaina ny miresaka fananahana sy fahafinaretana amin’ny olona manana fahasembanana”, hoy ny mpandrindra ny tetikasa Miray ao amin’ny Autisme Madagascar, Mihanta Ravelonarivo.
Vokatra azo tao anatin’ny tetikasa koa ny fampitaovana. Nahavita namolavola fitao­vana “malette SSR inclusive” ahafahan’ny olona manana fahasembanana mampita amin’ny fahasalamana ara-pananahana sy ara-piraisana. Efa nofanina ny olona manana fahasembanana hampiofana ny olona hafa mitovy aminy.
“10 taona ny fikambanana Autisme Madagascar, betsaka ny adisisika natao teny anivon’ ny minisitera samihafa fa tsy mbola misy ny fiahiana so­sialy ho an’ireo olona ireo sy ny fianakaviany hatramin’izao”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana, Raveloarimisa Mbo­latiana. Tsy mbola ampy hisahana ny filana ny psychologue, psychomotricien…handray an-tanana ny autiste. Tsy misy ny zavatra azo tsapain-tanana avy amin’ny fanjakana ho tohana ho an’ny fianakaviana sy ny fikambanana mpiahy. Andrandraina ny fandraisana an-tanana avy amin’ny fanjakana amin’ny lafiny maro satria ny an’ny fikambanana dia voafetra ihany.

Vonjy

Partager sur: