Famarinana olombelona : Firenena 5 no tena andefasana ireo lasibatra

Misongadina ny vokatry ny ady amin’ny famarinana olombelona eto Madagasikara. Olona 91 no fantatra fa tratra nanao fanondranana ary firenena 5 no tena mandray ireo olona haondrana.

Any Chine, Dubai, Liban, Oman ary any amin’ny Nosy Maorisy ny firenena hanondranan’ireo mpanao trafikana olombelona. Fanta­tra izany, araka ny fanadihadiana sy tatitra nataon’ny mi­nisiteran’ny Fitsarana sy ny mi­nisiteran’ny Filaminam-bahoaka ary ny minisitera miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Mifarimbona amin’ny ady atao amin’ity famarinana olombelona ity ireo minisitera ireo miaraka amin’ny biraom-pirenena miady amin’ny famarinana olombelona.
Misy faritra tena lasibatry ny mpanao trafika eto Mada­ga­sikara. Anisan’izany ny faritra Sava, Sofia, Analamanga, Matsiatra Ambony, Boeny, Atsimo Andrefana, Analan­jirofo, Atsinanana, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amo­ron’i Mania ary Vatovavy Fitovinany. Faritra 13 amin’ny 23, araka izany, no tena ahitana tranga betsaka sy olona lasibatra.
Ireo faritra ireo dia manana fifantohana amin’ireo lasibatry ny fanondranana olona antsokosoko any amin’ireo firenena malaza mpandray izany.
Araka ny fanadihadiana, olona 121 no fantatra fa naondrana antsokosoko tamin’ny taon-dasa (2024). Olona 91 no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany. 12 tamin’ireo no voasazy higadra enim-bolana ka hatramin’ny 10 taona ary onitra 500 000 Ar sy 20 000 000 Ar.
Marihina fa anisan’ny ka­razana tranga famarinana olona miseho eny amin’ny fiarahamonina ihany koa ny fa­nararaotana mihoapampana atao amin’ny asa an-trano, ny fanambadiana an-tery izay ma­tetika vokatry ny fomba. Eo koa ny asa fanandevozana sy an-tery ary ny fanararaotana ara-nofo, izay matetika mise­ho sy lasa fidiram-bola mihitsy ho an’ny tambajotra sasany.

Tatiana A

Partager sur: