Fiofanana arakasa : Hametrahana « référentiels » vaovao ny THR

Notanterahina tamin’ity he­rinandrio ity, nandritra ny roa andro tao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny atrikasa «Développement de référentiels pour les mé­tiers du Tourisme-Hôtellerie et Restauration». Nisahana azy ny Direction de l’Apprentis­sage et de la Formation Quali­fiante (DAFQ), niaraka amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ary tohanan’ny Institut de la Franco­phonie pour l’Education et la Formation (IFEF) sy ny Orga­nisation internationale du travail (OIT).
Miisa 30 mianadahy ireo mpandray anjara tamin’ity atrikasa ity, ahitana mpampiofana matihanina amin’ny sehatry ny Tourisme-Hôtellerie et Restauration (THR), ary ireo tomponandraikitra avy amin’ny minisitera roa tonta.
Tanjon’ny atrikasa ny ha­natsara sy hanavao amin’ny fomba maharitra ny kalitaon’ny fiofanana sy ny asa eo amin’ny sehatry ny Tourisme-Hô­tellerie et Restauration (THR), amin’ny alalan’ny fametrahana “référentiels” vaovao. Ha­nam­py amin’ny fanamafisana ny famoronana asa amin’io sehatra io izany. Nanokatra ny atrikasa, ny tale misahana ny DAFQ Rakotoarisoa Vololo­seheno Fabienne.

Vonjy

Partager sur: