Fetiben’ny basikety-Tanà Ville: hafana ny fanokafana ny taona 2023

Ho famaranana ny taona 2022 sy ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2023, mikarakara hetsika goavana ny seksionan’ ny Basikety Antananarivo Re­nivohitra (SBBAR). Hetsika hotanterahina rahampitso asabotsy 14 janoary, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.
Araka ny fandaharam-potoana, hizara roa mazava tsara ny fotoana, hisy ny lalao miisa 4, ka ny iray no hanokafana ny Hetsika, izay hifandonan’ny MMBC sy ny DTSC, amin’ny roa ora atoandro io. Mialohan’izay, hanao filatroana ireo klioba rehetra mandrafitra ny SBBAR miisa 52, arahan’ny lalao famaranana miisa 3, hahitana ny fihaonan’ny ASSM sy JCBA eo amin’ny sokajy U13 lehilahy, ny fifandonan’ny Mb2All sy ny Lu­cad­ro, sokajy U17 vehivavy ary ny fifanandrinan’ny Fan­drefiala sy AKBB, sokajy U19 lehilahy.
Aorian’ny lalao, hanolotra seho goavana ny tarika Misie Sayda, amin’io fotoana io, hiarahan’ny fianakaviamben’ny basikety eto Antananarivo Re­nivohitra mifety. Hafana tanteraka, araka izany, ity fanokafana ny taom-pikatrohana 2023 ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny seksiona Anta­nanarivo Renivohitra, Rako­to­mavo Mamisoa Lalaina. Tanjona goavana no hapetraka amin’ity taona 2023 ity, dia ny fananganana kianja hilalaovana, izay olana nisy tamin’ny taon-dasa ny tsy fahampian’ny kianja.

Mi.Raz

Partager sur: