Hetsika Nifin’Akanga: Boky telo natonta hanampiana ireo niharan’ny herisetra

Nampahafantarina omaly, teny An­ta­ninarenina, ny boky telo izay antontan-kevitra novokarin’ny Mala­gasy miaraka amin’ny hetsika Nifin’ Akanga ahafa­hana manampy ireo olona niharan’ny herisetra momba ny zony sy ny dingana rehetra ary ny sokajin’ olona afaka manohana azy.

Natolotra omaly, teny Antaninarerina, tao anatin’ny atrikasa ny famoahana boky telo vokatry ny asa nandritra
ny herintaona novokarin’ny hetsika Nifin’Akanga. Boky voalohany ny torolalana ahafahana manampy ireo olona niharan’ny herisetra sy ny fianakaviany, indrindra ho an’ny fanolanana sy ny fanolanana ataon’ olom-pady. “Hita ao avokoa ny anarana sy laharanan’ireo mpisolovava azo hatonina, ny adiresin’ny foibe mandray an-tanana ireo niharan’ny herisatra ary ny fikambanana misahana ny tantsoroka samihafa ilaina amin’ny dingana tokony harahana ho an’ ireo niharany”, hoy ny mpandrindra ny hetsika Nifin’Akanga, Raveloarimisa Mbola­tiana. Boky faharoa nampahafantarina ny mampitambatra ireo voka-pikarohana rehetra nataon’ny Nifin’akanga niaraka tamin’ny fikarohana nosahanin’ny mpanao gazety sy mpikaroka eny amin’ny Oniversite momba ny fanalan-jaza sy ny zava-misy manodi­dina izany tranga izany eto Madagasikara anatin’ny tetikasa Farimbona. Ary bokikely ny fahatelo izay niarahana niasa tamin’ny masoivohon’i Suisse eto Madagasikara, manome torohevitra sy ny paikady ho an’ny mpitolona ahafahany manana fahaizana amin’ny fiarovan-tena sy fiarovana ny olona mpiara-miasa aminy na koa manana tanjona fiaraha-miasa amin’ny polisy sy zandary.
Manazava ny zo sy ny dingana azon’ny olona niharan’ny herisetra arahina ny boky voalohany. Antontan-kevitra malagasy ireo boky telo ireo, misy hevitra azo ampiharina avy hatrany raha vao misy tranga ho an’ny niharany sy ny fianakaviany. Amin’ny teny frantsay ny boky fa havadika amin’ny teny malagasy tsy ho ela. Manana rantsana fito ny hetsika Nifin’Akanga manerana ny Nosy ary efa misy ny fandraisana an-tanana amin’ny tohana ara-tsaina ho an’ireo niharany miaraka amin’ny vondrona mpisolo vava vonona hihaino sy hiady.

Mirongatra ny trangana herisetra sy fanolanana

“Sarotra ny mahazo antontanisa momba ny trangana fanolanana eto amin­tsika. Fa raha ny tatitra avy amin’ny polisy kosa, ho an’ny telo volana voalohany ta­min’ity taona ity, niakatra ny isan’ny tranga”, hoy ny mpandrindra ny hetsika Nifin’Akanga. Ny fisehoana nahazoana fitarainana teny amin’ny mpitandro filaminana izay fa raha ny tranga hita amin’ny tambajotra sosialy dia mety ho avo 20 heny, mihamaro ny herisetra atao amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mahazo vahana koa amin’izao fotoana izao ny fanolanana ankizilahy sy lehilahy sy ny herisetra atao amin’ny olona manana fahasembanana.
Marary ny fiarahamonina malagasy ary mila beazina momba ny zo hampiova ny toe-tsaina hoe ireo mpanolana sy mpanao herisetra no tokony hatahotra sy menatra fa tsy ireo niharany velively, araka ny nambarany ihany.

 

 

 

Partager sur: