Rugby any ivelany : hijanona ao amin’ny la Rochelle i Jonathan Danty

Amin’izao ratra mahazo an’i Jonathan Danty, mpilalao rugby frantsay, izao dia nanavao indray ny fifanarahana ta­min’ilay klioba La Rochelle Fran­tsa ny tenany. Araka ny vaovao hita omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Mari­hi­na fa efa nisy ny feo nandeha tany an-toerana fa hifindra hi­lalao any amin’ilay klioba iray tao Paris, renivohitr’i Frantsa, i Danty.
Manoloana izany dia nanao fanambarana ny tenany fa tsy marina io vaovao io. “Izaho ary maka aina tsara, ato an-trano. Ary manaraka fitsaboana. Tsy hifindra izany ny tenako”, hoy i Jonathan Danty.
Tsiahivina fa i Danty dia tsy afaka milalao mandritra ity taona 2023 ity, nohon’ny faharatrana eo anivon’ny lo­haliny. Mbola manana fifanarahana amin’ny La Rochelle mandritra ny iray taona ity mpilalao fran­tsay ity, saingy izao nohavaoziny hatramin’ny 2027 izao indray.
Ankoatra izay, tsy ho isan’ireo mpilalao hanao ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ny taranja Rugby 2023, izay atao any Frantsa, i Danty. Fifaninana­na izay hanomboka amin’ny 8 septambra hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao. Ny mpanazatra an’i XV de la France, Fabien Galthié, izay hamoaka ny lisitr’ireo mpilalao, hanao ny fifaninanana « 6 Nations », amin’ny ity volana janoary ity. Ny « 6 Nations » izay hanomboka amin’ny 4 febroary ho avy izao.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: