Hiara-kiasa hanatsara ny tontolo hivoaran’ny ankizy isan-tokatrano ny Unicef sy ny Vondrona eoropeanina. Napetraka ny fandaharanasa « Zara mira » mandritra ny telo taona, ao Atsimo Atsinanana.
Natomboka ny faran’ny herinandro teo ny fandaharanasa « Zara mira », fanomezana tohana ara-bola ho an’ny ankizy tanterahin’ny Unicef ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Ankizy 68 000 no hisitraka ny tohana fiahiana sosialy hatramin’ny volana oktobra 2027, ho an’ny distrika telo: Vondrozo, Midongy ary Befotaka. Hahazo vola amin’ny alalan’ny finday ny ray aman-dreniny ao an-toerana ahafahany mikarakara ny zanany. Manohana ny tetikasa ny Vondrona eoropeanina, ka mitentina 116 milara Ar ny sora-bola entina manatanteraka ny fandaharanasa hifototra amin’ny fiahiana sosialy, ho fiarovana ny ankizy sy ny fahasalamany. Hahazo fanampiana ara-bola mitovy amin’izay koa ny olona manana fahasembanana. Efa nisy kaominina valo hafa nahazo fanampiana mitovy amin’izao tamin’ny faritra hafa teto Madagasikara.
10 000 Ar ny vola omena ny ankizy vao teraka hatramin’ny 17 taona sy ireo vehivavy mitondra vohoka ao amin’ny toerana iantefan’ny fandaharanasa. 30 000 Ar kosa ho an’ireo manana fahasembanana. “Omena tantsoroka ireo ray aman-dreny mba hitondra fivoarana ho an’ny zanany tokoa ny tolotra azony”, hoy ny fanazavana.
“Zava-dehibe ny fanohanana ny fianakaviana hivoaran’ny fiainany amin’ny ankapobeny ka hitondra fampandrosona ho an’ny firenena”, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina. Razafinjato Aurélie.
“Hampihena ny olana ara-bolan’ny tokantrano voakasiky ny fandaharanasa ny tohana ka ho afaka hikarakara ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny sakafon’ny zanany, izay zo fototra, ireo ray aman-dreny”, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, Christine Jaulmes.
Vonjy