Akany Ambohimanantenasoa, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andemaka, sy ny akany Preventium, ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Ifatsy, no notsidihin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Mponina ao Vohipeno, ny faran’ ny herinandro teo.
Mandray an-tanana ireo ankizy manana fahasembanana ara-batana miisa 150 ny akany Ambohimanantena. Miandraikitra manokana ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo miisa 74 kosa ny akany Preventium.
Nanolotra ronono ho an’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ireo tomponandraikitra nanao fitsidihana. Nanamafy ny fanentanana ny fanajana ny zo fototra, indrindra ny fandraisan’ireo ray aman-dreny mivantana ny fiarovana sy ny fanabeazana ny zanany izy ireo.
Miainga ao an-tokantrano ny fanajana ny zon’ny ankizy ary miitatra eny amin’ny fiarahamonina sy any am-pianarana izany. Rehefa ny ray aman-dreny no resy lahatra amin’ny fanajana ny zon’ny zanany dia ho saro-piaro izy amin’ny tokony hanajan’ny manodidina izany koa.
Tatiana A