Vita ny fanadihadihana savaranonando ahafahana miroso amin’ny asa rehetra ho fanavaozana sy fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio izay voasokajy ao anatin’ny tetikasa PAAEP ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Dingana sy fidinana ifotony maro tamin’ireo toerana voakasika no natao ka nampahafantarina sy nanaovana tatitra tamin’ ireo tomponandraikitra eny ifotony sy ireo rantsamangaika tamin’ny famelabelarana mahakasika ny fanatsarana ny tambajotra ny rano. Misy koa ireo fotodrafitrasa tsy maintsy haorina ho fanamafisana izany.
Vola mitentina 87 miliara Ar ny tomban’ny tetikasa, araka ny tatitra nataon’ny vondrona “Artelia” niandraikitra ny fitsirihana savaranonando. “Goavana ny asa miandry ka anisany ny fanitarana ny famatsiana rano amin’ny toerana tsy mbola misy izany, ny fanamboarana fotodrafitrasa isan-karazany ary ny fanovana fantsona. Ny toby famantsian-drano kosa dia ao Andraikiba, Andohanambolo, Marofangady, Jiromena”, hoy ny fanazavana.
Miara-manatanteraka ny tetikasam-panjakana ny minisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, sy ny Jirama. Raha mamatsy vola izany ny Banky iraisam-pirenena. Nanatrika ny fivoriana fizarana ny valin’ny fanadihadiana ny tale jeneraly misahana ny rano ao amin’ny minisiteran’
ny Rano, Mara Heriniaina Romuald, ny solontena avy ao amin’ny mpamatsy vola ary ny talen’ny fotodrafitrasa sy ny tontolo iainana ao amin’ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra, Herilala Emmanuel Hasina.
Vonjy