INDRAY MIJERY

Marihina anio, eny amin’ny Kianjan’Ambohi­man­gakely, ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny fahasalamana. Hetsika maro no hiseho eny an-toerana ka homena lanja manokana ny reny sy ny zaza. Hisy ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza. Eo koa ny tolotra fandrindram-piterahana ho an’ny ray aman-dreny sy ireo rehetra vonona hanao izany.
Noraisin’ny tale jeneralin’ny BNGRC tetsy amin’ ny foibeny ireo solontena avy amin’ny Association amitié Madagascar-Chine, ny faran’ny herinandro teo. Mano­loana ireo loza voajanahary nifanesy teto an-tanindrazana, nanolo-tanana ireo vahoaka traboina, nitondra fitaovana zinga sy koveta, sceau miisa 70 isa, izy ireo. Nanainga omaly hihazo an’i Sakaraha hiaraka amin’ireo fanampiana ara-tsakafo ireo fitaovana ireo satria ny sabotsy maraina teo, nitrangana haintrano tany an-toerana, ka 70 ny isan’ ireo tokantrano tra-doza nandritra izany.
Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fampia­na­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa efa navoaka ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana ho an’ny taom-pianarna 2024-2025 eto Antananarivo. Vatsim-pianarana telovolana miaraka amin’ny équipement no hozaraina amin’izany. Manomboka amin’ny sokajy L1 hatramin’ireo mpianatra manomana ny doctorat no voakasika izany.
Tanterahina ao amin’ny CHU Pzaga, any Maha­janga, ny Campagne fistule obstétricale, nanomboka ny
1 avrily lasa teo ka hatramin’ny 18 avrily. Tanjona ny handidy vehivavy miisa 25 anatin’ny hetsika, araka ny fanazavana. Iarahana amin’ny sampandraharaha misahana ny fiterahana hieren-doza sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana (SMSR-PF).

Partager sur: