Manana adidy ny mpampiofana eny amin’ny Lycée teknika hanatsarana ny fampianarana teknika. “Mandinika aloha” satria tsapa fa misy zavatra tokony hojerena ny fampianarana hametrahana lova ho an’ny taranaka.
Natomboka eto Antananarivo, faritra Analamanga, ny atrikasa voalohany mitondra ny lohateny “Mandinika aloha” natokana ho an’ny Lycée teknika ato anatin’ny faritra. “Nahatsapa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa fa misy olana ny fampianarana teknika ka iarahana mamahy izany. 800 ireo teksinianina, nahitana proviseur, mpampianatra, mpampiofana nandinika ny olana misy ary hitondra ny vahaolana hampiakarana lenta ny fampianarana teknika”, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina. “Nahoana no tavela eo amin’ny bakalorea fotsiny ny mpianatra avy amin’ny teknika fa tsy manohy amin’ny ambaratonga ambony? Inona ny hevitra momba ny taranja mila havaozina manaraka ny toetrandro sy ny misy fivoarana? Misy ny taranja vaovao toy ny photovoltaique, toekarena manga… Asa voaforona mila atrehin’ny tanora izay mifanaraka amin’ny filana sy ny fiovan’ny toetrandro ireny ka izay no maha zava-dehibe ny dinidinika hitondrana vahaolana. Hisy fanovana tsy maintsy hoentina miaraka amin’ny fanampiana ny taranja sy ny ora hianarana vokatr’izany”, hoy ny minisitra.
Tsy mitombo ny isan’ny mpianatra eny amin’ny teknika nefa fototry ny fampandrosoana ny fampianarana teknika. Raha te hiasa avy hatrany ny tanora, ilaina ny fampianarana teknika mitondra amin’ny famoronana asa mahavelona ny tsirairay satria tsy afaka handray ny mpiasa rehetra ny orinasa misy, amin’izao fotoana izao. Ezaka entin’ny fampianarana teknika hamahana ny olan’ny tsy fahampian’ny asa sy fampivelarana ny maha olona izao atrikasa izao izay hoentina any amin’ny faritra rehetra. Olona hanorina asa ireo mpianatra hivoaka ao amin’ny sekoly teknika satria ny tsy fananana asa mampibirioka ny tanora amin’ny lalana hafa.
Vonjy