Andron’ny fahasalamana: Mbola ho taonan’ny vaksiny ny 2025

Teny amin’ny Kianjan’ny CEG Ambohimangakely no nanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, omaly. « Fahasalamana mandritra ny fiterahana: miantoka ny hoavy feno fanantenana » ny lohahevitra nosafidiana hitondrana ny hetsika. “Mendrika fiainana tsara hatrany amin’ny fahaterahany ny zaza tsirairay ka nasongadina ny maha zava-dehibe ny fikarakarana ara-pahasalamana ny zaza vao teraka sy ny fanaovam-baksiny. 1/3 amin’ny CSB eto Mada­ga­sikara no nomena fitaovana vaovao ahafahana manome tolotra fahasalamana ho an’ny vahoaka”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Ho an’ny 1/3 faharoa, efa lasa ny famandrihana ka ho avy tsy ho ela ireo fitaovana. Mbola mitohy ho taonan’ny vaksiny ity taona ity satria mbola maro ny zaza tsy nisitraka fatram-baskiny mihitsy. Nanomboka ny taona 2019, nahatratra 272 miliara Ar ny vola natokana ho an’ny vaksiny teto amintsika.
“Taorian’ny fivoriana momba ny fanjarian-tsakafo ho an’ny fitomboana tany Paris, mihoatra ny 20% ny fampiasam-bola ilaina hanatrarana ny tanjona hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho 25,9% amin’ny taona 2030. Ho­raisin’ny fanjakana malagasy avokoa izany”, hoy ny minisitra.

Vonjy

Partager sur: