INDRAY MIJERY

Hisy orana tandrifin-drahona vitsy amin’ity herinandro ity, any amin’ny afovoan-tany sy ny ilany afovoany andrefan’ny Nosy. Hisy tandrifin-drahona mety harahin-kotroka kosa manomboka rahampitso, ny ilany atsinanan’ny Nosy. Hisy andian-javona amin’ny ankapobeny ny vao maraina any amin’ny afovoan-tany. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa. Hisy fiakarana misongadina ny maripana ambony any amin’ny ilany afovoany atsinanana sy atsimo atsinanan’ny Nosy.
Mamokatra fitaovana enti-mampianatra toy ny bokim-pampianarana, fitaovana ara-pedagojika, « planche pédagogique »… ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, amin’ny alalan’ny foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fitaovam-piaranana (DDIS). Boky taranja Mala­gasy, Matematika, Frantsay manodidina ny 7 tapitrisa, rakibolana miisa 4 tapitrisa, « radio cartes » 1 500 isa, miaraka amin’ny torolalana amin’ny fampiasana azy, no efa nozaraina eny anivon’ny sekoly nandritra ny efa-taona niasan’ny DDIS.
Miara-mitady vahaolana ny faritra Boeny sy ny GIZ amin’ny fandraisana ireo mpifindra monina mitsoaka ny kere mavaivay any amin’ny faritra Atsimo. Miara-miasa amin’ny minisitera maro ihany koa ny faritra amin’izany ary tanjona ny hampifanatona ny faritra Atsimo amin’ny faritra Avaratra hahafahana mametraka fiaraha-miasa hitantanana ireo mpifindra monina.
Zokiolona 500 ao amin’ny distrikan’i Maintirano no nisitraka tohana ara-tsakafo ho fanampiana sy hanamaivanana ny andavanandrom-piainan’izy ireo. Miahy manokana ny zokiolona ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary manohana ireo manam-pahefana eny ifotony.

Partager sur: