23 mirahavavy ireo nahavita fiofanana mahakasika ny haitao ara-kajy mirindra tao Manakara, faritra Fitovinany, ka notolorana mari-pankasitrahana sahaza izany. Tonga tany ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, nisaotra ireo vehivavy manana fikirizana amin’ny fianarana ny fikirakirana izany haitao ara-kajy mirindra izany.
Fisokafana amin’ny sehatra marolafy indrindra ny fiseraserana, eny hatrany ivelany, ny fahaizana sy fifehezana izany. Nentanina ireo vehivavy hahay hampiasa izany ho fampiroboroboana ny serasera sy fihariana ary ny varotra taozavatra izay mampalaza ny faritra Fitovinany.
« Hahafahana mitady fanofanana hahafahana mivoatra hatrany sy hifandraisana amin’izao tontolo izao amin’ny fampiasana ny teknolojia ny fahaizana mikirakira ny haitao ara-kajy mirindra », hoy hatrany ny minisitra.
Tamin’izany koa no nandinihina ny toerana hametrahana ny « Maison digitale » ao Manakara izay niarahana tamin’ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Arson Benja.
Tatiana A