Nilaza ho mahita afera tongolo : Tratra ilay ramatoa nisoloky 100 tapitrisa Ar

Herinandro nifampitadiavana, tratra tao Fianarantsoa, ilay ramatoa nahazo 100 tapitrisa Ar mahery tamin’ny alalan’ny fisolokiana. Voatazona koa ny vehivavy iray hafa nanafina azy.
Vehivavy nisoloky volan’olona mitetina 100 tapitrisa Ar voasambotry ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Manao­tsara, kaominina Fianaran­tsoa, ny 5 avrily lasa teo. Nanaovan’io ramatoa io teti-dratsy ny olona maromaro tao Vangaindrano ka nahazoany volabe. Nampiresahany mom­ba ny fisiana afera tongolo tany aminy. Mila vola entina hangalana ny entana sy hanamorana ny fahazoan’ireo olona naniry hiara-kiasa ami­ny io vola io. Tsy iray, tsy roa, olona miisa dimy samy nangalany vola an-tapitrisany. Nari­rarirany fotoana maharitra teny ny entana nampanantenainy ireo olona nanome vola. Nanomboka tsy tratra antso izy taorian’izay. Nikaroka azy tany amin’ny toerana nahitana azy matetika ireo lasibatra saingy tsy nahitam-bokany izany. Tapa-kevitra ny hitory teny anivon’ny manam-pahefana ireto farany. Namoahana filazana fikarohana io ramatoa nitondra ny volabe mitetina 100 809 000 Ar nandositra io, ny 31 marsa teo. Nanao fanangonam-baovao ny zandary ka fantatra fa nialokaloka tao Fianarantsoa io ramatoa io. Nidina ifotony ny tomponandraikitra. Vokany, voasambotra niaraka tamin’ny vehivavy iray hafa nampiantrano azy ilay mpisoloky.

Nilaza ho tsy salama
Noraisin’ny zandary ao Vaingaindrano ny raharaha. Samy niandry fatratra ny fahatraran’io ramatoa nisoloky io avokoa ireo olona dimy lasibatra tao an-toerana. Araka ny loharanom-baovao, nilaza ho azon’ny tsy fahasalamana tam­poka io mpisoloky io, ny ha­rivan’ny alatsinainy 7 avrily teo. Voatery nentina toeram-pitsaboana ity farany ary mitohy toarian’izany ny fanadihadiana azy. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: