“Mbola ambony ny tahan’ny reny maty eo am-piterahana eto amintsika. 408 ho an’ny zaza teraka 100 000 ny reny mamoy ny ainy”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy ny ezaka tao anatin’ny roa taona ka 1/3 amin’ny distrika sisa no manana taha ambony fa efa nidina 110 ho an’ny zaza teraka 100 000 ny taham-pahafatesan’ny reny ho an’ny 2/3n’ny distrika. Tanjona napetraky ny ODD amin’ny taona 2030, tokony ho 70 ho an’ny zaza teraka 100 000 ny taham-pahafatesan’ny reny. Antony mahatonga ny taha ny tsy fahazotoan’ny vehivavy mitondra vohoka manatona CSB hanao vaksiny miaro amin’ny tetanosy, hisafo sy hiteraka.
Natomboka tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Sekoly ambony Politeknikan’Antananarivo ao Vontovorona (ESPA), ny fizarana ny vatsim-pianarana telo volana miampy fampitaovana ho an’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ho an’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany (L1) ka hatramin’ny Doctorat. Nanatrika sy nanara-maso izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nijery ny fizotry ny fizarana sy nanome toromarika ireo tomponandraikitra izy. Nisy fandaminana vaovao nampiharina tamin’ny fikarakarana ny famoahana ny vatsim-pianarana ka nokirakiraina isaka ny oniversite ny antontan-taratasy.
Manoloana ny fahapotehana nateraky ny rivodoza indroa nisesy tany atsimon’ny Nosy, nanao hetsika ny CRS Madagascar ho fanohanana ny fiarahamonina traboina ao Beloha. Natomboka ny hetsika vonjy taitra mba hanampiana ireo tokantrano marefo ao amin’ny fokontany 31, ao amin’ny kaominina Beloha, izay tena voa mafy noho ny tondradrano sy faharavan’ny trano fonenana.
Mahaliana ny ankizy sy ny tanora ny fisian’ny trano famakiam-boky maimaimpoana eny amin’ny boriborintany. Karazam-boky amin’ny salantaona samihafa no hita amin’izy ireny. Fijerena rakibolana no anisan’ny tena hataon’ny ankizy. Eo koa ny famakiana ireo boky misy sary itatra…