Soccer Academy : Hikarakara fifaninanana ho an’ny ankizy

Hotanterahina ny 14 hatramin’ny 19 avrily ho avy izao, etsy Mahamasina, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny ankizy, “Soccer Academy Tournament”, andiany voalohany. Fifanintsanana izay karakarain’ny sekoly baolina kitra Soccer Academy. Araka ny fanazavana azo tamin’ny mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, hizara sokajy telo ny fifaninanana ka hisy ny natao ho an’ireo U9, sy ny U11 ary ny U13.
Tanjona amin’ity hetsika ity, ny hampivoarana ireo taninketsan’ny baolina kitra eto Madagasikara sy ny hampivelatra ireo mpilalao zandriny anaty fifaninanana ambony kokoa. Nanamafy moa ny tomponandraikitry ny hetsika fa afaka mandray anjara avokoa ireo klioba eny amin’ny fokontany, ny klioba ary ny sekoly baolina kitra misy eto Madagasikara.
Mpilalao maherin’ny arivo eo no andrasan’ny mpikarakara amin’ity lalao ara-panatanjahantena voalohany ity. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Soccer Academy dia niforona ny volana septambra 2024 lasa teo. Mitaiza ankizy amin’ny taranja baolina kitra ny sekoly.

Fitia Randria

Partager sur: