Tetikasa Produir : Hojerena ny momba ny fako

Fanamby lehibe miandry ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina ny fikirakirana ny fako. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa Produir, nankinin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny vondrona Artelia/Phoenix /Artelia Madagascar izany. Eo ny fanaovana fikarohana sy fanomezana tantsoroka amin’ny tetikady momba ny fikirakirana ny fakon’Antananarivo sy ny manodidina.
Anisan’ny dingana voalohany ny fanadihadiana ny zava-misy amin’ireo kaomininina miisa 40 ka ao anatiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa eo amin’ny dingana faharoa izao izany ka nanomezana tondrozotra na lalan-kizorana, azo tanterahina. Natao teo anelanelan’ny marsa 2024 sy marsa 2025 ny fanadihadiana momba izany tondrozotra izany. Nolanian’ny komity mpanara-maso « Comité de suivi de l’étude », tarihin’ny UGP-n’ny Produir ny febroary teo, ny tondrozotra arahina. Nifanakalozana tamin’ny alalan’ny atrikasa ny 8 avrily teo, ny tondrozotra sy ny fikirakiran’ny kaominina ny fako ao aminy.

Synèse R.

Partager sur: