Fanohanana ny UNFPA: Ho fahaleovantena sy tantsoroka ho an’ny vehivavy

Natao sonia teny Andraharo ny fiaraha-miasan’ny UNFPA sy ny AFG Bank Madagascar hitondra tombontsoa ho an’ny vehivavy sy ny tanora manokana.

Hiara-kiasa ny AFG Bank Madagascar sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Momba ny fahaleovantenan’ny vehivavy ara-bola izany, indrindra ho an’ireo niharan’ny herisetra. Eo koa ny fanohanana ny tanora hirotsaka amin’ny asa ary ny fanentanana momba ny fananahana ara-pahasalamana. “Zava-dehibe ny fahazoana mpiara-miasa vaovao tahaka izao satria ahafahan’ny fandaharanasa mitohy na eo aza ny fitsaharan’ny fanampiana sasany”, hoy ny solontenan’ny UNFPA eto an-toerana, Josi­ane Yaguibou, teny An­draharo, tamin’ity herinandro ity. Haharitra 44 volana ny tohana ara-bola entin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ka hahazo tombony kokoa ireo vehivavy, tanora marefo.
Teo aloha, efa nanampy amin’ny fampiasana ny Clini­que mobile mitety faritra maro manome tolotra fahasalamana ity banky ity, izay manana vehivavy mitazona andraikitra ambony ao aminy. Vokatry ny fisian’ny Clinique mobile, maro ny vehivavy mitondra vohoka, indrindra ny any ambanivohitra no afaka niteraka am-pilaminana miaraka amin’ny mpiasan’ny fahasalamana.
Ho an’ny fiaraha-miasa vaovao, hitodika amin’ireo vehivavy niharan’ny herisetra (VBG) ny tohana. Hahazo fitsaboana izy ireny ary hisy koa ny tohana ara-tsaina raha ilaina. Ampiana ihany koa hanana asa miteraka loharanom-bola hampahaleo tena azy. Homena sehatra ahafahany mivelatra hamerenana ny maha olona. Atao laharam-pahamehana koa ny fahazoan’ny vehivavy mpandraharaha fampindramam-bola.
Afaka hisitraka fianarana asa eo anivon’ny AFG Bank na orinasa hafa kosa ny tanora anatin’ny tetikasa, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny AFG Bank, Kadiatou-Ina Diallo.
Tanjona amin’ny taona 2028 hifaranan’ny tetikasa, ny hahazoana mandrefy ny vokatry ny asa izay natokana ho an’ny marefo.

Vonjy

Partager sur: