Ny tendrim-po tsy mba namana. Mila fehezina ny fihetseham-po rehefa misy fahatezerana amin’ny ankizy mba hisorohana ny herisetra. Nanaitra ny maro ny fampijaliana ankizy nisesy niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy tato ho ato.
Nivoahana fanehoan-kevitra maro ny tranga fikapohana ankizilahikely tsy ara-drariny nataona vehivavy iray tany Vohemar, ny faran’ny herinandro teo, izay niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy.
Betsaka ireo tohina tamin’ny famangoana tsy tam-piheverana ilay ankizy ary anaty fahatezerana sy tendrim-po tanteraka ka heverina mety hiteraka takaitra mihitsy.
Efa nanaovan’ny fikambanana Fitia, izay tarihin’ny vadin’ny filoham-pirenena antso avo mihitsy hatramin’izay ny fahasahiana mitoroka rehefa misy trangana herisetra mianjady amin’ny ankizy hahafahana mampihatra ny lalàna araka ny tokony ho izy.
Tafiditra ao anatin’ny herisetra ny daroka, vono, tsongo, daka, totohondry hatao amin’ ny ankizy rehefa mibedy na mananatra azy.
Raha ny tranga niseho dia tena mihoa-pefy ny fihetsika nataon’ilay ramatoa tsy nahafehy ny fihetseham-pony ka nahatonga ny olona tezitra rehefa nahita ny horonantsary.
Marihina fa misy ny polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) izay eo anivon’ny sampan-draharahan’ny polisim-pirenena mandray an-tanana ny fitorohana na fitoriana mahakasika ny tranga herisetra mianjady amin’ny ankizy.
Vao tamin’ny herinandro ihany koa no nahitana ankizivavy tsy ampy taona nodarohin’ny mpampiasa azy ary feno vanditra ny tenany, mangana ny masony… ary efa nandraisan’ny tomponandraikitra fepetra.
Tsy vitsy ny tranga toy ireny eny amin’ny fiarahamonina ary lasibatra ny ankizy. Indraindray aza dia zanaka nateraka no maty kapoka rehefa mibedy azy ary amin’ ny faritra tena saro-pady no kapohina ka mety hitera-doza mihitsy.
Mila sahy mijoro ny fiarahamonina manakana ny herisetra. Tokony hanova fihetsika sy hahay hifehy ny toe-po ihany koa rehefa misy hadisoana hataon’ny ankizy.
Tatiana A