BNGRC : Nanohana ny asa vonjy taitra ny QMM S.A

Mitentina 100 000 dolara ny fanampiana natolotra ny QMM S.A ho an’ny biraom-pirenena misahana ny fitantanana ny loza voajanahary (BNGRC) ho fiatrehana ny vonjy taitra. Natao ho an’ny asa famonjena sy fanampiana ara-pahasalamana ary sosialy amin’ny tranga loza voajanahary ny fanampiana. Am­piasana koa amin’ny toe-javatra maika misy fiantraikany amin’ny mponina any amin’ny faritra Anôsy.
Rehefa misy voina mihatra dia matetika ny maha olona no lasibatra voalohany izay vao ny fananana. Tsy maintsy mifindra toerana, mety haratra na ho faty mihitsy aza raha mahery vaika ny loza miseho… Tsy fahasalamana, ta­kaitra….
Ny vinan’ny filoham-pirenena amin’ny andry voalohan’ ny fampandrosoana dia ny maha olona ka mifantoka amin’izany ny fanomezana ary ahompana indrindra amin’izany. Ny olona rahateo no loharanom-pampandrosoana voalohany ka mila fanavotana haingana raha misy tranga mahazo azy.
Tsiahivina fa efa nanohana hatrany ny BNGRC ny orinasa QMM ary fanamafisana izany indrindra no nataony.
Natao teny amin’ny birao misy ny QMM ny sonia teo amin’ny roa tonta, ny tale jeneralin’ny BNGRC ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja sy ny tale mpanantateraka eo anivon’ny orinasa QMM S.A, Elisabeth Wabete.

Tatiana A

Partager sur: