Fahasalamana : Hisy Ostie vaovao eny Nanisana

Natao ny faran’ny herinandro teo ny fametrahana ny tsangambato voalohany amin’ ny tetikasa fananganana ny tobim-pahasalamana vaovaon’ny Ostie eny Nanisana.

Tanjona ny hametraka fototra mafy orina ho an’ny fikambanana amin’ ny hoavy. Kendrena ny hisian’ ny mpiara-miasa matihanina sy mendrika hitokisan’ny mpikambana sy ny mpiara-miombona antoka hafa.
Eo koa ny fahafahan’ny Ostie manakaiky hatrany ireo mpikambana amin’ny fitsaboana izay omeny. Ankoatra izay, ny ahafahan’ny fikambanana mandray ireo marary izay hita fa tena mitombo an­kehitriny.
Nametraka fanamby sy paikady momba ny kalitao ny mpitantana ka anisan’izany ny fanitarana araka izay azo atao ny fitsaboana sy ny tolotra omena ny mpikambana.
Manampy betsaka ireo mpiasa amin’ireo orinasa mpikambana amin’ny Ostie ny fisian’ny tobim-pahasalamana manakaiky azy ireo. Ankoatra ny kalitaon’ny fotodrafitrasa izay mihatsara hatrany, eo koa ny tolotra amin’ireo sampandraharaha marolafy manamora ny fitsaboana sy mampihena ny fivezivezen’ny marary. Ny dokotera matihanina sy ny fanafody tsy tapaka ihany koa dia anisan’ny tombony ho an’ ireo mpikambana ao amin’ny Ostie.

Tatiana A

Partager sur: