Rugby Academy Ihorombe : Namboly zana-kazo ireo mpilalao

Ny 30 marsa lasa teo, namboly zana-kazo fihinam-boa miisa 3650 tao Satrokala, ireo an­kizy 60 mianadahy ao amin’ny Rugby Academy Ihorombe (RAI). Nanatontosa izany ny Terres en mêlées sy ny Tozzi Green Madagascar, nam­piaraka ny fanatanjahantena sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Tanjon’ny rehetra ny hanangana hoavy maharitra. Satria, ao anatin’ny faritra izay tena manana olana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no nanaovana ny hetsika ka nanomezana traikefa ireo tanora. Mampifan­dray ny soatoavin’ny rugby ny fambolen-kazo tahaka izao, ny toe-tsaina sy ny fikirizana ary ny firaisankina. Hambolena hazo avokoa ny lembalemban’Ihorombe.

Niompana tamin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana, fanentanana ny maha saro­bidy ny hazo sy ny zavamananaina notari­hin’ireo manampahaizana avy amin’ny Tozzi Green sy ireo mpanabe ao amin’ny Terres en mêlées ny fizarana tamin’ireo tanora. Traikefa sy fanabeazana ao anatin’ny filalaovana rugby mifo­totra amin’ny fampandrosoana maharitra, maneho ny fifamenoan’ny tontolo iainana sy ny asa iombonana. «Toy ny eny ambony kianja ny mpilalao rehetra, samy manana ny andraikiny. Amin’ny natiora ny hazo koa mandray anjara amin’ny fifandanjan’ny tontolo iainana. Ankehi­triny, nasehonay fa ny fiaraha-miomban’ antoka sy ny fanoloran-tena ataon’ny tanora, afaka mitondra fiovana amin’ny fanarenana ny ala ao Ihorombe”, hoy i Julia Gony, tomponandraikitry ny Terres en mêlées.

Tompondaka

Partager sur: