Eo am-panarenana ny tambajotra fitsinjarana rano eto Antananarivo ny fanjakana, amin’izao fotoana izao. Roa taona eo ho eo ny faharetan’ny fanarenana ny fotodrafitrasa eny Andravoahangy, Besarety, Analakely, Anosy…satria betsaka ny fantsona mila soloina, hoy ny minisitry ny Rano.
Nanolotra solosaina miisa 10 ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny Association MTF.MG Madagascar Fanantenana Tecnologia, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hanafainganana sy hanatsarana ireo asa sahanina eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nandray izany ny tale misahana ny fampianarana malala-drafitra, izay nisolo tena ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
Mpivarotra fanafody ankalamanjana sady tsy ara-dalàna, mitety tsena, ao Ankadinondry sakay no nandraisan’ny ekipan’ny Dric Bongolava fepetra. Nentanina tsy hanohy ity asa mamoafady ity izy ireo, izay mitera-doza ho an’ny mpanjifa. Ianjadian’ny masoandro, ny vovoka ireo fanafody ary tsy manara-penitra ny fitahirizana azy.
Manafaingana ny asa fanadiovana ny tanàna ny kaominina Antananarivo araka ny baiko nomena ireo mpiara-miasa nandritra ny fananganan-tsaina omaly. Efa misongadina ny fanatsarana ny endriky ny tanàna. Voavoatra avokoa ny lalana ary voarindra ny fifamoivoizana.