Ankazobe : mpangalatra akoho tra-tehaka tao anaty fisoko

Noraisim-potsiny tao ana­ty fisoko ny mpangalatra akoho iray tao Ankazobe, afakomaly. Mbola tsy nihidy ny vavahadin’ny tompontrano, nanararaotra niditra ity olon-dratsy ity. Niandry ny alina tsy hisy mpivezivezy intsony, nitsofoka tao anatin’ny tranon’akoho izy. Nangalarin’ity tontakely ity ny akoho miisa valo. Efa nofatorany tsikelikely ireo biby ireo ary niandry izay hatorian’ny tompon-trano ity farany. Nirotsaka ny ora-nikija ka nafatratr’ity mpangalatra ity tao anaty garaba ireo akoho ireo. Nivoaka tao am-pisoko izy noho ny tamin’ny misasakalina. Nitsambikina ny tamboho, lasany ireo akoho ireo. Kinanjo, nifanehatra tampoka tamin’ny mpanao fisafoana amin’ny alina izy ka raikitra ny fifanenjehana. Narian’ity lehilahy ity ireo biby noentiny ka nirifatra nandositra izy. Tsy lasa alavitra nefa fa tra-tehak’ireo andriamasom-pokonolona. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy ity saingy tonga ara-potoana ny zandary. Nentina natao fanadihadiana eny anivon’ny zandary ny tenany alohan’ny hitondrana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: