Manoloana ireo fitakiana marobe nataon’ny Seces sampana Antananarivo, tsy hiroso amin’ny fidiran’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony izy ireo raha tsy vahan’ny fanjakana amin’ny ampahany ny fitakiana.
Nanao fivoriambe teny Ankatso ny Seces sampana Antananarivo, omaly. Nilaza fa mbola tsy hiroso amin’ny fidirana ho an’ny taom-pianarana 2022 – 2023 eny anivon’ny ambaratonga ambony izy ireo. Antony, ny fitakian’ izy ireo ny handoavan’ny fanjakana ny karama sy ny saram-pikarohana (endemnité de recherche et investigation) ho an’ireo “retraité chercheur” izay mbola manatanteraka ny asany.
Takin’izy ireo ihany koa ny hamoahan’ny fitondram-panjakana miainga avy amin’ny minisitera mpiahy ireo volavolana didim-panjakana ho fampiharana ny lalàna lah-2021-005 mikasika ny sata mifehy ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpampianatra mpikaroka. Toy ny fampidirana mpampianatra vaovao sy ny fanaovana “reclassement” izay mahasarotiny ny Seces sampana Antananarivo. Eo ihany koa ny tokony hijerena manokana ireo “professeur émérite” eny anivon’ny oniversiten’ Antananarivo.
Takian’izy ireo ny hiarovan’ny fanjakana ny fananana iombonona izay lasibatry ny mpandroba tany tsy ara-drariny toy ny eny amin’ny tanin’ny oniversite, ny tanin’ny foibe fikarohana nasionaly ary ny tanin’ny fianarana ambaratonga ambony rehetra. Tsy eken’izy ireo ny fahazoan’ny olona mpandroba tany rariny eny anivon’ny fitsarana. Nambaran’izy ireo fa tsy mendrika ny firenena repoblikanina ny trangan-javatra toy izany. Miantefa amin’ny fitondram-panjakana voakasika izany izy ireo mba handray fepetra sy fandraisan’andraikitra. “Aoka mba hametra-pialana izay tsy sahy mandray andraikitra manoloana ireo fitakiana ireo satria hiteraka fihemorana sy korontana eo amin’ny hoavin’ny firenena izany”, hoy Ravelonirina Sammy Gregoire, filohan’ny Seces sampana Antananarivo.
Nasiany teny ny tsy faneken’izy ireo ny fidiran’ny olona tsy mahafeno fepetra ao anatin’ny sokajin’asan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Nolazainy fa misy olona tafiditra nefa tsy manana lentam-pahaizana mifanandrify amin’ izany.
Fanajana ny sata mifehy
Manaja ny sata mifehy azy sy ny fitsipi-pifehezana ny Seces sampana Antananarivo. Tsy maintsy mankato ny fanapahan-kevitra raisin’ ny birao nasionaly avokoa ny sampana rehetra ao anatiny, hoy ny fanazavana. Andrasana ny fandraisan’ny birao nasionaly fanapahan-kevitra vaovao indray mifanandrify amin’ ny hevitr’izy ireo. Mangataka fivoriana eo anivon’ny birao nasionaly izy ireo satria efa te hianatra ny mpianatra ary efa misy mampianatra ny mpampianatra sasany. Hevitra tokana no mendrika ny ambaratonga ambony aorian’ izao. Fa manoloana ny fitakiana dia ny famoahana ny voka-panadinana ihany no natao hatreto. Tsy hisy ny fampianarana raha tsy fantatra mazava tsara ny fanatanterahan’ny fitondram-panjakana, eny fa na amin’ ny ampahany azo ekena, ny zo sy hasina.
Tsy hiroso amin’izany izy ireo mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra vaovao horaisina eo anivon’ny fivorian’ny conseil nasionaly sy ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra.
Mino (Mpianatra asa)