Naneho firaisankina ny mpitatitra mandeha amin’iny lalan’Ambohimiadana Andramasina iny. Hifarimbona amin’ny fanamboaran-dalana izy ireo ka nivonona amin’ny fandraisana anjara mivantana hanatsarana ny asa fitaterana, izay fiveloman’izy ireo mihitsy.
Tena potika tanteraka ny ampahan-dalana eo anelanelan’Ambohimiadana sy Anempoka. Velon-taraina ireo mpitatitra fa sady manimba fiara no mamono antoka tanteraka satria ela dia ela vao tonga kanefa lalana mirefy 72 km monja raha miala eto Antananarivo.
Mavitrika, araka izany, ireo koperativa mpitatitra olona sy ireo kamiao vaventy mpitaona vokatra mifamezivezy eo. 40.000 Ar no anjaran’ny taksiborosy tsirairay ary 60.000 avy ny an’ireo kamiao.
Manohana ny ezaka aton’izy ireo ny orinasa Henri Fraise ka hanome ireo fitaovana ampiasaina. Iantohana ny solika ampandehanana ireo fitaovana kosa ny vola alaina amin’ireo mpitatitra, raha ny fanazavan-dRavonjinarivo Thomas, lehiben’ny kaoperativa mampitohy an’Antananarivo, Ambohimiadana, Tankafatra, Amberobe.
Tsiahivina fa ny faritra Analamanga dia manana kamiao lehibe fanamboaran-dalana afaka ampiasaina. Miantoka ny solika hampandehanana azy kosa ny kaominina na izay mikasa hampiasa azy ireo. Io no sakana ho an’ny distrikan’ Andramasina ka tsy hahavitan’ny lalana.
Tatiana A