Kaominina Vohibato : Notokanana ny Lapan’ Ampela Miray Hina

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny Lapan’Ampela Miray hina ao amin’ny distrikan’i Vohibato, faritra Matsiatra Ambony. Fiaraha-mientan’ny fikambanam-behivavy ao an-toerana no nahafahana nanangana ny fotodrafitrasa. Nanampy tamin’ny fampitaovana kosa ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.
Toerana ahafahan’ny vehivavy mivory sy manao fampianarana ary mamolavola tetikasa ny Lapan’Ampela. Hahafa­hana manatanteraka fiofanana isan-karazany, indrindra koa hoentina mampandroso ny fidiram-bolan’ny tsirairay.
Nanolotra milina fanjairana sy kojakoja ho amin’izany ny minisiteran’ny Mponina, izay naterin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. Nanome vilanibe ihany koa ahafahana mianatra mahandro ka tanjona mba hiantohan’ny fikambanam-behivavy ny sakafo rehefa misy fivoriana hahafahan’izy ireo mampidi-bola.
Natolotra ihany koa ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay natao hitahirizana vaksiny ho an’ny akoho, ho an’ny Association Ainga Madagascar. Ankoatra izany ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nanaraka ny fiofanana mahasika ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy ary ny fametrahana samboady ho an’ireo lefitry ny ben’ny Tanàna.

Tatiana A

Partager sur: