Fitaovam-pandrefesana ny habaka: Hanatsara ny fitiliana ny tetikasa Soff

Nampahafantarina omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Soff, izay hampiasana ireo fi­taovana vaovao entina manatsara ny fitiliana ny singa mandrafitra ny toetr’andro eto Madagasikara.
Hapetraka ny fitaovana mi­isa 11manerana ny Nosy amin’ ireo toerana misy ny fitiliana ma­hakasika ny toetry ny andro. Fitaovana mahaleo tena ahafahana mamantatra ny toetoetry ny atmosfera na ny habaka isan-tsegondra, ha­natsarana ny antontam-baovao mba hiarovana ny olona amin’ny tranga ara-boajanahary.
Misy ny toerana ikarakarana ireo fitaovana ka tokony ho tompon’andraikitra amin’ny fiarovana azy ireny ny rehetra ahafahana manana azy ma­haritra. Voalohany ny tetikasa Soff fa mbola ho avy ny aoriana, raha ny fanazavana.
Iarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, amin’ny alalan’ny foibe famantarana ny toetr’andro, miasa amin’ny Pnud sy ny meteo allemande ity tetikasa ity.
Ny fahazoana ireo singa voarefy amin’ny alalan’ny fi­taovana dia hanatsara ny vinavina mahakasika ny toetry ny andro.
“Manodidina ny 5 tapitrisa dolara ireo fitaovana ary mbola hisy hafa ho avy hahafahana manana antontam-baovao marim-pototra”, hoy ny minisitra Ramonjavelo Valéry. Hanatsarana koa ny fambolena sy fiompiana, ny jono, ny fomba fitaterana (an-tanety, an’habakabaka ary an-dranomasina) ny tetikasa.

Tatiana A

Partager sur: