Nanao fanambarana, omaly, ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Soafilira Princia fa fomba entin’ireo tsy mitovy fijery politika handotoana ny fanjakana ny tsaho aely mikasika an’Ikongo.
Tsy mivaro-janaka ny Malagasy fa fomban’ny mpianakavy kosa ny mitaiza sy manatafita ny zana-kavana rehefa misy ny fahasahiranana. Mazava ny fanambaranan’ny komity mahaleotena miaro ny zo maha-olona, CNIDH, fa tsy voaporo ny vaovao noterena hiely.
Ny minisiteran’ny Mponina any Ikongo dia manamafy izany fahadisoan’ny vaovao izany. Misitraka ny fiahiana ara-tsosialy ny mponina ao Ikongo. Mahazo ny fanarenana sosialy vokatry ny rivodoza sy ny ahitany ihany koa ny mponina. Mangataka amin’ireo mpanao politika manoloana ny tsy fitoviam-pijery mba tsy hanely tsaho, ny minisitra. Malahelo ny mponina any Ikongo satria novoizina ho mpivaro-janaka izy ireo kanefa tsy kolontsaina any velively izany na ho inona na ho inona ny vesatry ny fahasahiranana.
Nijoro ihany koa Rahantamalala Béatrice, prefektora ao Manakara nanambara ny tsy fahamarian’ny vaovao taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ireo tompon’andraikitra maro tany an-toerana.
Tatiana A