Fiomanana amin’ny fetin’ny Paka : Arahi-maso ny fitaterana rehetra manomboka izao

Ato anatin’ny fiomanana amin’ny fetin’ny Paka isika izao. Hanao hetsika fanaraha-maso ny fitaterana (fiara sy moto) ireo tomponandraikitry ny fitaterana rehetra eto amin’ny Nosy, manomboka izao, raha ny fampahafantarana nataon’izy ireo omaly, tetsy Anosy. Arahi-maso ny fiaingan’ny fiara eny
amin’ny toeram-piantsonana sy ny eny an-dalambe rehetra eny. Hisy ny fitsapana ny tahan’ny alikaola amin’ny vatan’ny mpamily, ny fitaovam-pandrefesana ny lanjan’ny fiara sy hafainganam-pandeha. Efa miparitaka manerana ny Nosy ireo fitaovana ireo ary ezahina ny hampiasana izany hatrany na tapitra aza ny fety. Manoloana izany, misokatra ho an’ny rehetra manam-paniriana ny hivoaka sy hitondra olona ny fi­tsirihana maimaimpoana ny fiara amin’ny sabotsy tapakandro maraina, ho avy izao. Tsy maintsy manao fitsirihana teknika ihany koa ny fiara mpitatitra rehetra. Tsy manan-kery kosa ny fanomezana fanambaram-pahaverezana sy ireo nahazo «fiche de contravention» mandritra io fetin’ny Paka io. “Mitombo ny filana satria hivezivezy ny olona amin’izao vanim-potoan’ny Paka izao ka antony hanaovana ny hetsika”, hoy hatrany ireo tomponandraikitra. Tanjona ny hankalazana ny fetin’ny Paka hieren-doza.

Mino

Partager sur: