Namoy ny ainy, omaly, ilay mpitondra posy bisikileta, voadonan’ny moto iray tany amin’ny tetezana Tanamakoa, ny alahady teo tamin’ny 7 ora hariva. Nitrongy posy ny moto iray nanapa-dalana tampoka ny alahady teo. Naratra mafy nandritra izany ilay mpitondra posy noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly izy ary izao namoy ny ainy omaly izao. Noho ny fiovan’ ny endriky ny lalana izay efa miroso amin’ny fahatsarana sy fahavitana ny ankamaroan’ny loza mitranga. Tato ho ato miha tanora ny mpitondra moto any Toamasina. Mihetraketraka sy mampihatra ny tanjaky ny moto izy ireo ka antony mampirongatra ny lozam-pifamoivoizana, raha ny zava-misy.
Ankoatra izay, tsy maika amin’ny fivarotana fanafody ilain’ny marary sy iharam-boina ny fivarotam-panafody tantanin’ny tsy miankina
amin’ny hopitaly Be. Mitavozavoza ny tomponandraikitra ara-barotra, tsy ampy ihany koa ny olona mandray mpanjifa. Miha miaka-bidy ihany koa ny fanafody ao an-toerana raha oharina amin’ny mpivaro-panafody ivelan’ny hopitaly, antony koa tsy hahavonjena ny ain’ireo iharam-boina.
Sajo