Ambohitrimanjaka-Andranotapahina : mampidi-doza ny fanahazam-bary anaty arabe

Miakatra tsikelikely ny vary amin’iny lemaka atsimo andrefan’Antananarivo iny. Tsikaritra tamin’ity herinandro ity fa velarin’ny olo­na any anaty arabe ny vary hatapy masoandro. Feno vary ny sisin’arabe manomboka eny amin’ny sampanana Andranotapahina hatreny amin’ny tetezan’Ambohitri­manjaka.
Mitomandavana ny fanahazam-bary ary mila ho rakotra ny antsasaky ny arabe andaniny sy an-kilany. Manginy fotsiny ireo olona maromaro mirotsaka anaty arabe mamadibadika ny vary izay miteraka fanelingele­nan’ny fifamoivoizana amin’ iny lalam-baovao Ambohi­tri­manjaka mipaka any An­dranotapahina iny.
Ilana fanentanana amin’ ireo mponina mipetraka eny amin’ny manodidina izay manahy vary eny. Misy mi­hitsy koa anefa avy amin’ny tanàna manodidina tonga miaraka amin’ny fiara lehibe feno gonim-bary ary mamelatra izany eo tontolon’ny andro.
Mitera-doza ho an’ny fi­fa­moivoizana io fanahazam-bary amoron’arabe io ka ilà­na fandraisana fepetra haingana.
Lalana manivaka ma­na­mpy amin’ny famonjena fotoana ho an’ny mponina avy any andrefan’An­ta­na­na­rivo hiakatra eto an-dRe­ni­vohitra iny lalana iny. Mandeha mafy, araka izany, ireo fiara mivezivezy eny.
Be mpandeha rahateo iny lalam-baovao iny satria miala amin’ny fitohanan’ny fiara eo Talatamaty sy Am­bohibao. Manampy betsaka amin’ny famonjena fotoana ny lala-mikodana.

Tatiana A

Partager sur: