Tsy araka ny vidim-bary ho 650 Ar, araka ny toromarika navoakan’ny fanjakana mikasika ny vidin’ny vary mora, ny zava-misy eny an-tsena. Mahatratra 700 Ar na 680 Ar ny kapoaka ivarotan’ny mpivarotra azy eny an-tsena. Misy ny maka tombony 70 na 30 Ariary amin’ny vidiny napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny fanjifana izany. Nalaina teny amin’ny tsena Anosibe tsenan’ny vary hoy izy ireo . Nalaina amin’ ny vidiny 108 000 Ariary ny iray gony ary amidin’izy ireo 720 Ariary ny iray kapoaka. Amidy 2500 Ariary kosa ny kilao amin’ izany, araka ny fanazavana hatrany. Betsaka ny olona manjifa ny vary mora eny an-tsena satria lafo avokoa ny vidin’ny vary eny anivon’ny tsena, hoy hatrany ny fanazavana. Efa misy toerana voatokana hivarotana ny vary mora sy ny vary tsinjo eny anivon’ny fokontany.
Mino (Mpianatra asa)