New York – “Ecosoc 2025” : Tanora 3 manatevina ny delegasiona malagasy

Manatrika ny hetsika mahakasika ny fanamafisana ireo zon’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny asa, izay karakarain’ny Ecosoc 2025 Youth Forum, tontosaina any New York, i Madagasikara. Araka ny vaovao voaray, manatrika ity fihaonana ity, any an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy
ny Fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, ary hatevenin’ireo tanora miisa roa avy eto an-toerana.
Tanjon’ny hetsika ny ha­moaka ny tatitra izay nataon’ ny Firenena mikambana mifototra amin’ny fanombanana miisa 298, izay nataon’izy ireo. Anisan’izany ny fananana paikady manokana hoentina mampandroso ny fampianarana sy ny lafiny toekarena, ho an’ny tanora. Tsara ny mampahafantatra fa ity tatitra ity dia manome tari-dalana amin’ny fandrafetana fandaharanasa amin’ny hoavy, ho an’ny fanabeazana manara-penitra sy fahaleovantena ara-toekarena, amin’ny alalan’ny asa mendrika.
Ankoatra izay, nifampizara traikefa ireo tanora mpitarika sy manam-pahaizana mahakasika ireo sakana eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fampi­anarana. Niampy ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fandrafetana ny tetikasa entina mampandroso ny firenena misy azy avy. Tsara ny mampahatsiahy fa manana hetsika lehibe tahaka izao, horaisina i Madagasikara, ny Youth Con­nekt 2025. Hotanterahina eto amintsika, ny volana novambra ho avy izao, izany.

F.R

Partager sur: