Distrika Taolagnaro : Tokantrano maro mampiasa fatana mitsitsy

Tetikasa Magnasoa no hi­antsoana ny fizarana fatana mitsitsy mitsinjo ny tontolo iainana ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy. Fi­taovana fandrahoan-tsakafo madio no iantsoana ity fatana ity satria antsasaky ny arina fandrehitra fampiasa andavanandro dia afaka mahamasaka sakafo.
« Hihena ny entona maloto, haingana ny fandrahoana sa­kafo… Voaaro ny tontolo iainana », hoy ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakoto­veloma­nan­tsoa Voahary.
« Ny tanjona dia mba mba ho ny 50% amin’ny Malagasy no hampiasa ny fandrahoan-tsakafo madio », hoy kosa ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Jean Baptiste Olivier.
Hatreto anefa, mbola ny 90% amin’ny vahoaka Mala­gasy no mahandro sakafo amin’ny kitay sy saribao. Loza mitatao ho an’ny tontolo iainana izany amin’ny fandripahana ny ala. Ny ala izay zava-dehibe amin’ny fitahirizana loharano sy miaro amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Mamokatra angovo amin’ny fomba madio koa ny orinasa Rio Tinto ao taolagnaro ka nankasitraka izany ny minisitra nandritra ny fidinany tany an-toerana.
Eto Madagasikara, ny 60°% amin’ny famokarana angovo dia avy amin’ny solika. Tokony ho 80% amin’ny famokarana anefa dia azo avy amin’ny angovo azo havaozina, toy ny masoandro, rano ary rivotra izay hananantsika tsara, raha ny fanazavana hatrany.

Tatiana A

Partager sur: