Tonga amin’ny tsy fifanarahana eo amin’ny ligin’Analamanga sy ny Fédération Sport Boule Malagasy (FSBM) ny sazy sy fiampangana sesilany mahazo ny mpitantana ny tsipy kanetibe malagasy.
Tsy nitsitsitsitsy fitenena mihitsy, Andriamilerovason Amiroudine, filohan’ny « Fédération Sport Boule Malagasy » (FSBM), omaly, nanoloana ny mpanao gazety tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, nanazava fa malagasy ihany no manasoketa sy mitoroka amin’ny zavatra tsy marina akory, ny mpitantana ity taranja ity, any amin’ny federasiona iraisam-pirenena (FIPJP). «Malagasy ihany ny mamotika ny tsipy kanetibe Malagasy satria mety misy te hitondra kanefa tokony hiandry ny fifidianana izy ireo», hoy izy. Tsy nanafina ny tenany fa anisan’ireny, i Mahefa sy i Eric Rassata, mipetraka any Frantsa. Efa nantsoiny ho solontenan’ny FSBM any ivelany, i Mahefa saingy toa tombontsoa manokana ho azy no tena nataony ka nampiantoana tamin’izany toerana izany.
Ankoatra izay, eo koa ny ligin’Analamanga, manohitra ny FSBM eto an-toerana ka manao izay hanakorontananan. Noezahin’izy ireo ny tsy hisian’ny filaminana hatramin’ny nitondran’ny mpitantana amin’izao fotoana izao.
Tsy mbola nahazo fampilazana
Mikasika ny fiantsoana ny filoha Amiroudine, hiatrika ny fitsipi-pifehezana (Codis) indray dia tsy mbola nahazo fampilazana izany ny tenany. Ny tena olana raha ny nambaran’ny filohan’ny FSBM hatrany dia ny faneren’i Claude Azema, filohan’ny FIPJP, ny federasiona Malagasy hanala ny talen’ny fanatanjahantena, eo amin’ny toerany, dia milamina ny zava-drehetra saingy nolavin’i Amiroudine marin-drano, izany. “Mikasika ireo trosan’ny FSBM indray dia efa voaefa avokoa ary tsy nisy nohanin’ny mpitantana Malagasy na Ariary aza. Misy taratasy avokoa izany”, hoy hatrany izy.
Momba ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023 ) indray mikasa ny hanasazy ireo firenena mandray anjara ny FIPJP ka hamorona lalao fifanintsanana hiakarana amin’ny “Mondial”, atsy La Réunion, amin’ny fotoana hanaovana io lalaon’ny Nosy, io. Araka izany, mitady vahaolana ny FSBM, mifampiresaka ary mandefa porofo rehetra amin’ireo fanasoketana azy ireo, ary koa mangataka hanalana ny sazy.
Torcelin