“Niainga avy amin’ny soso-kevitry ny firaisamonim-pirenena malagasy ny lalan-tsaina hitadiavana vahaolana hahatongavana amin’ny fahaleovantena momba ny fividianana vaksiny. Efa nisy ny fikaonandoha niarahana tamin’ny vaomiera misahana ny Fahasalamana sy ny mahakasika ny Toe-bola eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny taona 2024. Nitohy tamin’ny fihaonan’ny firenena sivy tany Turquie izany”, hoy ny sekretera mpanatanteraky ny Hina.
Ankoatra ny fifampiresahana amin’ny mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena, hanao fanadihadiana koa ny firaisamonim-pirenena momba ny loharanom-bola hafa azo ividianana vaksiny, ankoatra ny hetra efa ampiharina amin’izao fotoana. Rehefa vita ny fanadihadiana, hatolotra anatin’ny atrikasa ny vokatra, iarahana amin’ny solombavambahoaka sy ny mpanohana teknika sy ara-bola ary ny mpanatanteraka hijerena raha mahavaha olana tokoa izany, eto Madagasikara.
Eto amintsika, mbola hitohy amin’ity taona ity ny fanaovana vaksiny ho an’ireo ankizy tsy nisitraka fatra na iray aza. Zaza mahatratra 1,2 tapitrisa no tsy nahazo izany ary anisan’ny antony tsy nahavita ny asa ny tsy fahampian’ny sora-bola hikarakarana ny vaksiny. “Nanomboka ny taona 2019, nahatratra 272 miliara Ar ny vola natokana ho an’ny vaksiny teto amintsika, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka”, nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana.
Vonjy