Anisan’ny misedra olana amin’ny famokarana rano ny eto Antananarivo. “Asiana fanamboarana ny toby fitahirizana rano rehetra eto Mandroseza, izay tsy mbola nisy fanavaozana mihitsy”, hoy ny filohan’ny repoblika Rajoelina Andry. Tanjona ny hamahana ny olan’ny rano.
Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny anivon’ny tobim-pamokaran-drano etsy Mandroseza ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly. “Ho soloina iray manontolo ny toby famokaran-drano rehetra eto Mandroseza I, izay efa niasa hatramin’ny taona 1927”, hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, nandritra ny lahateniny teny an-toerana. Rehefa vita avokoa ireo fanamboarana ireo, hahatratra hatramin’ny 120 000 m3 isan’andro ny famokaran-drano, raha toa ka 80 000m3 izany amin’izao. Ho foana amin’ny ampahany ny olan’ny rano. Nambarany fa havaozina avokoa ny fitaovana rehetra ao anatiny. Mbola maro anefa ny fanarenana tokony hatao, toy ny fanoloana ny fantsona manontolo mitondra ny rano eto Antananarivo Renivohitra. Asiana fanovana tanteraka ihany koa ny toby fampakarana ny tosiky ny rano (station de surpression) telo lehibe, etsy Betongolo, Ambodimita ary Mandriambero. Hirosoana ihany koa ny fametrahana toby famokaran-drano lehibe hafa any Amoronakona. “Tsy ampy ny famokarana rano eto Antananarivo, indrindra rehefa maintany ka antony hirosoana amin’ny fitadiavam-bahaolana tahaka izao”, hoy hatrany ny Filohan’ny Repoblika. Nambarany fa efa nisy ny fanampiana ireo kamiao miasa eo anivon’ny Jirama, mahatratra 32, raha toa ka valo izany teo aloha. Izay nentina nitaterana rano manerana ny tanànan’Antananarivo. “Tanjona ny hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto an-drenivohitra, indrindra rehefa fotoan’ny maintany”, hoy ny minisitry ny Rano, Andrianamelasoa Lalaina, nandritra ny lahateniny.
Miankina amin’ny herinaratra ny fandehanan’ny paompy
Ankoatra izay, miankina amin’ny herinaratra ny fampandehanana ny paompy, izay mampiakatra ny rano. Misy ifandraisany amin’ny fahatapahan’ny jiro ny fahatapahan’ny rano. Noho izany, hametrahana “groupe de secours”, araka izany, eny amin’ireo toby famokarana rano rehetra, toy ny eny Faralaza, Ambodimita, Iavoloha sy ny maro hafa. Mba hisorohana ny fahatapahan-drano matetika.
Mino