SPSM Nasionaly: Tamim-pirahalahiana ny fihaonana

Tratra ny tanjona ho an’ny SPSM nasionaly izay naneho firaisankina sy fiombonam-po teny Ambatofotsy, omaly. Tao anatin’ny firahalahiana no nanaovana ny hetsika izay nanasongadina ny maha iray ny mpiasan’ny fahasalamana.
Fanoitra lehibe mampihodina ny tobim-pahasalamana manomboka eny amin’ny CSB2 hatreny amin’ny hopitaly lehibe ireo mpiasan’ny fahasalamana. Manomboka amin’ireo mpikarakara ny fahadiovan’ny toeram-pitsaboana, ireo mpandraharaha, ny mpiasa isan-tsokajiny, ny infirmier sy dokotera ary ny rasazy sy ny paramedy, ny anestezista…
Manodidina ny 19 000 ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy. Izy ireo no miantoka ny fampandehanan-draharaha rehetra eny anivon’ny tobim-pahasalamana hatramin’ny kely indrindra hatramin’ny lehibe indrindra.
Teny Ambatofotsy, omaly, no nanehoana firaisankina hisian’ny fihavanana hampirindra ny firahalahiana anaty asa iombonana dia ny fahasalamam-bahoaka.
Tonga nanotrona ny SPSM ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanatany Zely, omaly. Nankahery ireo mpiara-miasa amin’ny fijerena ny maha olona, izay andry voalohany amin’ny fampandrosoana eto Madagasikara sy ny fahasalamam-bahoaka, izy.

Tatiana A

Partager sur: