BNGRC: Nahazo fampitaovana avy amin’ny tetikasa Mionjo

Nahazo fampitaovana fiara tsy mataho-dalana iray sy moto 12 matanjaka avy amin’ny tetikasa Mionjo ny BNGRC, tamin’ity herinandro ity. Natolotra teny amin’ny foibe fitahirizana fitaovana eny Iavoloha izany. Manao sahanasa maromaro ny tetikasa ho an’ny faritra telo iasany: Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana. Miompana amin’ny fambolena, fiompiana, fampidirana rano ary fiarovana tontolo iainana izany. Marefo ny tapany atsimon’ny Nosy satria miatrika loza samihafa vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, tondradrano, haintany, ka raha tsy voatandrina ireo sahanasa ireo amin’ny fiomanana sy fiatrehana ary fanarenana aorian’ny loza, ho very maina ny asa rehetra. Mila rafitra efa manana traikefa manokana izany ka ny BNGRC no manana ny fahaiza-manao amin’ny sokajin’asa voalaza. “Apetraka ny fitaovana sy ny rafitra ary ny olona amin’ny faritra iasan’ny fandahanarasa ahafahana miaro ny vola sy ny asa mila fiomanana sy fiarovana”, hoy ny sekretera nasionaly lefitry ny tetikasa Mionjo, Ratsiman­dresy Vladmir.
“Ny 80 % amin’ireo fitaovana azo, tsy hajanona eto Antananarivo fa halefa any amin’ny faritra Atsimo misy ny sahanasa sahanin’ny tetikasa”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, Andriakaja Elack Olivier. Hanafaingana ny fomba fiasa ny fahazoana ny fitaovana satria betsaka ny toerana saro-dalana. Ilaina amin’ny fitaterana ny olona izany, teo aloha, mandeha an-tongotra ny mpiasan’ny BNGRC na koa manofa moto hampiasaina anatin’ny hamehana.
Mandavantaona ny loza miseho eto amintsika ary tsy voajanahary fotsiny fa eo koa ny momba ny fahasalamana sy ny hafa ary nezahina ny hahazo vokatra amin’ny fitaovana efa eo am-pelatanana.

Vonjy

Partager sur: