INDRAY MIJERY

Betsaka ireo fianakaviana hivoaka kely an’Antananarivo rehefa faran’ny herinandron’ny Paka toy izao. Mila mitandrina eny an-dalana ary atao tomombana tsara ny fiara mba tsy hitera-doza. Na ireo hitondra fiara na ireo hampiasa kodiaran-droa, mila mailo satria lahitokana ny aina.

Lafo ny vidin’ny atody rehefa Paka. 800 Ar hatramin’ny 1 200 Ar ny atody iray eny an-tsena arakaraka ny habeny. Ampiasaina betsaka amin’ny sakafo izy rehefa fety. Mila fitandremana fatratra anefa ny fampiasana azy mba tsy ho lasa poizina ka hamparary ireo mihinana azy.

Fety masina ary tena ivon’ny finoana kristianina ny Paka. Tsy fotoanan’ny fimamoana sy fitenenan-dratsy fa tena fanamasinan-tena sy toetra mihitsy. Matetika ireo fianakaviana kristianina mifady ny zava-mahamamo sy mahadomelina rehefa fety kristianina toy izao.

Efa maro ny fanadiovana natao teto Antananarivo sy ny manodidina hiatrehana ny COI. Aoka samy hanaja izany ny rehetra mandritra ny fivezivezena ao anatin’ny fetin’ny Paka fa tsy handrava izay efa nohatsaraina na hisotasota. Ireo fananana iombonana nohatsaraina tokony hijanona maharitra amin’ny endriny.

Partager sur: