Handball – IHF Trophy U20 : hifanandrina voalohany amin’ny Akio i Rwanda

Niainga androany hihazo an’i Congo ny Akio Mada­gas­car, sokajy U20 lehilahy. Han­dray anjara amin’ny “IHF Trophy U20” Afrika no anton-dian’izy ireo any. Ny ekipan’i Rwanda, tompondaka tao amin’ny faritra fahadimy no hifanandrina amin’ny Akio Madagasikara, ny 16 ja­noary ho avy izao. Fihao­nana izay hotanterahina ao Congo, amin’ny 5 ora hariva.
Haharitra dimy andro eo ity fifaninanana ity, izany hoe, ny 16 – 20 janoary.
Marihina fa aorian’io lalao amin’i Rwanda io, mbola misy lalao efatra miandry ny ekipa malagasy. Araka izany, ny talata ho avy izao, ny andro faharoa amin’ity fifaninanana ity, ka hifanandrina amin’i Nizeria, tompondakan’ny “Zone 3” izy ireo, ao amin’ny gymnase Nicole OBA.
Amin’ny andro fahatelo kosa, izany hoe, ny alarobia izao no hifandona amin’i Congo, mpampiantrano ny fifaninanana, ny ekipam-pirenena malagasy. Hifanandrina amin’i Zimbabwe, mpandresy tao amin’ ny “Zone 6” ny Akio, amin’ny andro fahefatra, lalao izay atao ny alakamisy izao. I Ginea, izay voalohany tao amin’ny “Zone 2” indray no hihaona amin’izy ireo amin’ny andro faran’ny fifaninanana, ny zoma 20 janoary. Toy izao ny fizotran’ny fifaninanana, hifandimby hihaona daholo ireo ekipa dimy ireo, ka izay be isa indrindra no lasa eo amin’ny laharana voalohany na lasa tompondakan’i IHF Trophy continental.
Tsiahivina fa aorian’io dia hisy ny fifaninanana eran-tany na IHF trophy Intercon­ti­nen­tal. Lalao izay atao any Polona, ka izay tompondaka tamin’ny “IHF Trophy” taty Afrika no mandray anjara amin’izany.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: