Fikambanana AES- PACA: Hampiofana momba ny tambajotran-drano

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny fa­naovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny mi­nisitera sy ny Association Eau Soleil-Provence Alpes Côtes d’Azur (AES-Paca). Manam-pahaizana manokana amin’ny fampiofanana momba ny fa­metrahana sy fikojakojana tambajotran-drano amin’ny paompy miasa amin’ny herin’ny masoandro ity farany.
Tanjona ny hampitombo sy hanatsara ny fahaiza-manaon’ny mpianatra sy ny mpampiofana amin’ny sehatry ny asa vaventy (BTP). Hisy ny fanatanterahana «chantiers pédagogiques». Hiompana amin’ny fametrahana tambajotran-drano amin’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro izany.
Hisy ny fametrahana la­lam-piofanana BTS vaovao amin’ny sehatry ny fikarakarana tambajotran-drano (ré­seaux d’eau) sy rafitra ara-masoandro (systèmes solaires). Maro ireo fotodrafitrasa niorina taty aoriana nametraka tambajotran-drano amin’ny paompy mihodina amin’ny herin’ny masoandro eto amintsika.
Nanao sonia ny fifanarahana fiaraha-miasa ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Mar­celline, sy ny filohan’ny AES-Paca, Bernard Caufape. Tafi­ditra ao anatin’ny velirano fahefatra napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ity fandaharanasa ity. Mikendry ny hifanarahan’ny kalitaon’ny fiofanana amin’ny tsenan’ny asa (adéquation formation emploi), izany.

Vonjy

Partager sur: