Teleferika : Saro-pady ny asa fanenjanana tariby

Nampahafantatra ny ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana fa miditra amin’ny fanenjanana ny tariby roa sy ny fanambarana izany eo amin’ny ampahany faharoa, mampitohy an’i Soarano sy Ivandry ny ekipa amin’izao fotoana. Asa tena saro-pady ary avo lenta no hatao ka mila teknisianina mahafehy tanteraka izany. Vitsy ireo olona manam-pahaizana manokana mahakasika io teknika io ka ny avy ao amin’ny Poma no manana ny olona mahafehy sy miantoka izany. Mandalo fanaraha-maso akaiky ataon’ny Cabinet Veritas ny asa hatao aorian’ny fanatanterahana azy.
Entina hanaporofoana ny maha manara-penitra ny asa fanamboarana rehetra ny fisian’ireo teknisianina ireo ary toky ho antsika mampiasa ny fotodrafitrasa aoriana kely.
Hiditra amin’ny fametrahana ny tariby mampifandray ireo fitaovam-pifandraisana rehetra ny asa amin’ny ampahany faharoa toy ny natao amin’ny ampahany fahatelo mialoha ny hanaovana ny andrana mitondra cabine, araka ny fanazavan’ny SENVH.
Efa hanomboka ihany koa ny fampahafantarana ny vontoatin’ny didim-panjakana mifehy ny fiarovana ny zotra TPC.

Tatiana A

Partager sur: