Maninday Toliara: Ho tonga ny “transformateur” vaovao

Ho famahana ny olan’ny mpianatra ao amin’ny Oni­versiten’i Toliara manokana, efa niverina tanteraka ny jiro ary ho tonga amin’ny faran’ny herinandro izao ny “transformateur” vaovao ho fanampiana ny tanjaky ny jiro ao an-toerana.
Mikasika ny vatsim-pianarana, hivoaka tsy ho ela ny tetiandro aorian’ny fankatoavana ataon’ny Paositra malagasy, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny fampitam-baovao avy
amin’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony. Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandron’ny vatsim-pianarana ary tsy ho ela aorian’izay ny fizarana azy. Volam-bahoaka no handoavana ny vatsim-pianarana ka tsy maintsy misy ny fanamarinana atao miaraka amin’ny dingana arahina ka ireo tokony hisitraka no mahazo izany, hoy ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony.
Nanome 24 ora ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Toliara ao Ma­ninday, hitondra vahaolana amin’ny olan’ny jiro sy ny fandovana ny vatsim-pianarana ny fiandohan’ny herinandro teo.
Nisy ny fifampiresahana sy fifampihainoana ka nahafahana nahita vahaolana tao anaty fotoana fohy teo amin’ny fanjakana, ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy fikarohana ara-tsiansa ary ny oniversiten’i Toliara.

Vonjy

Partager sur: