Sakafo an-tsekoly : Minisitera roa hifanohana

Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana ny fizakan-tena ara-tsakafo.
Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, mahakasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera roa tonta amin’ny alalan’ny fampisakafoana an-tsekoly na “cantine scolaire” tamin‘ity herinandro ity, teny Anosy.
Tanjona amin’ity tetikasa nasionalin’ny fampisakafoana an-tsekoly ity izay hanatanterahana ny teknika PFUMVUDZA, ny hanatsarana ny fitazonana ny mpianatra any an-tsekoly. Eo koa ny tahan’ny fahavitan’ny fianarana amin’ny alalan’ny fametrahana fampisakafoana an-tsekoly maharitra sy mifanaraka amin’ny zava-misy. Ao anatin’izany koa ny fanamafisana ny famokarana eny an-toerana sy ny fanohanana ny fambolena maharitra ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Marihina fa teknikam-pambolena iray izay ahazoana vokatra betsaka amin’ny velaran-tany kely sy tsy fandaniam-bola betsaka ary iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny PFUMVUDZA.

Vonjy

Partager sur: