Loza ateraky ny asa: 2,5 tapitrisa isan-taona ny mpiasa maty

Manao ezaka amin’ny fampihenana ny tahan’ny loza any anaty asa ny tompona orinasa. Mampiasa ireo karazana fitaovana fiarovana mifandraika amin’ny sehatry ny asa avy. Manomboka miditra amin’ny tontolon’ny asa ny nomerika ary mampihena amin’ny ampahany ny loza ateraky ny asa izy ireny.

Andro iraisam-pirenena amin’ny fiarovana sy fahasalaman’ny mpiasa eny amin’ny orinasa ny alatsinainy izao. Maro ny asa mitera-doza na miteraka aretina ho an’ny mpiasa manatanteraka izany ka mila fiarovana mifanaraka amin’ny asa. Tanjona ny hisian’ny fahombiazana sy hahazoana vokatra ary tena miaro tanteraka ny mpiasa.
Raha ny salanisa, 2,5 tapitrisa isan-taona ny olona mamoy ny ainy vokatry ny loza eo am-panatanterahana ny asany. 402 tapitrisa kosa no mijaly amin’ny aretina azo any amin’ny toeram-piasana.
Milaza ny OMS fa ny aretina ateraky ny asa dia mahatratra 4% eo ho eo amin’ny vesatry ny aretina maneran-tany. 60% amin’ny lozam-pifamoivoizana no mahafaty olona maneran-tany ary mihatra amin’ny mpiasa latsaky ny 45 taona izany. Olona iray no maty isaky ny 15 segondra noho ny aretina ateraky ny asa sy ny lozam-pifamoivoizana, araka ny tatitry ny OIT.
Misy ireo fitaovana ampiasaina ho fiarovana na ny EPI. Fitaovana hahafahana miaro ny mpiasa eo am-panatanterahana ny asany. Miova arakaraka ny haavo na ny fahasarotana na ny toerana eo amin’ny asa ny karazana fitaovana ampiasaina.
Tokony hifanaraka amin’ny loza mety hitranga, mifanaraka amin’ny asa ary safidy mifototra amin’ny famakafakana ny toeram-piasana ny EPI ampiasaina.
Takina amin’ny mpampiasa rehetra ny fanomezana fitaovana sy fitafiana sahaza. Anton’izany ny mba hiarovana ny ain’ny mpiasa sy ny fahasalaman’ny tsirairay amin’ireo loza mety hitranga eny ani­von’ny toeram-piasana.
Voarakitry ny lalàna mifehy ny asa mihitsy izany, araka ny laharana 110. Ireo mpiasa kosa, tsy maintsy manaraka ny fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ny fiarovana ary ireo kaody momba ny fahadiovana sy ny fitsipika anatiny.
Mampivory ny mpiasa rehetra mihitsy ny mpampiasa ka mampahafantatra tsara ny fampiasana ny EPI sy ny fepetra mahakasika izany. Eo koa ireo toromarika tsara ho fantatra miaraka amin’ny fepetra momba ny fanomezana azy mba ho tena mahomby sy ho fiarovana tokoa.
Anisany tena mitera-doza ny asa fitrandrahana indrindra amin’ny tany andalam-pandrosoana. Tsy mampiasa fiarovana ny mpiasa. Tsizarizary ny fitaovana ampiasaina. Raha tsy mitondra takaitra dia maty mihitsy ireo mpiasa, vokatr’izany.
Anisan’ny asa mitera-doza indrindra koa ny fananganana trano indrindra amin’ny toerana saro-pady… Maro ireo namoy ny ainy amin’ny fianjerana sy fampiasana fitaovana tsy voafehy…
Miteraka aretina ho an’ny mpiasa ny asa amin’ireny orinasa afakaba ireny. Ny volon-damba, ny entona sy ny akora ampiasaina dia miteraka aretina ho an’ny mpiasa avokoa.

Efa mitana toerana betsaka ny nomerika

Eny amin’ny CCIA Anta­ninarenina no hanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana sy fahasalamana amin’ny asa, ny alatsinainy izao. Rafitra apetraka iantohana ny fahasalaman’ny mpiasa izany.
Fanavaozana ny fahasalamana : “ny anjara asan’ny Intelligence Artificielle (IA) sy ny nomerika amin’ny asa”. Io no lohahevitra hovoizina amin’ izany.
Hanasongadinana ny fomba fiasan’ny teknolojia vaovao eo amin’ny sehatry ny asa ny lohahevitra. Efa maro ireo orinasa mampiasa milina kinga fiasa ary mampihena ny asa ataon’ny olombelona ny fidiran’izany fitaovana izany.
Mivoatra tanteraka ny fitaovana ampiasaina any amin’ny toeram-piasana ary efa Robot mihitsy no miasa any amin’ny tany mandroso.
Ny fitaovana mandeha ho azy, baikoana ary afaka manara-maso ny asa rehetra no efa miditra tsikelikely eny amin’ny orinasa.
Nitarika fiovana teo amin’ny fandaminana asa ny fivoaran’ny tontolo nomerika. Tsy voatery makany am-piasana intsony ny olona fa na any an-trano aza dia vitany izany. Mahavita asa amin’ny antsipirihany ihany koa amin’ny sehatra sasany ny fitaovana moderina ampiasaina.
Amin’ny lafiny hafa, fomba iray hampihenana ny loza ateraky ny fampiasana fitaovana be tsy voafehy ny fidiran’ny sehatra nomerika any amin’ny orinasa.

Nanatontosa : Vonjy sy Tatiana

Partager sur: